Nitokona tetsy Analakely omaly ireo mpiasan’ny orinasa misahana ny fiantsonam-piara eto Antananarivo teo aloha na Easy park.
Nisy, hoy izy ireo, ny famindrana ireo mpiasa hiasa ao amin’ny kaominina. Manana orinasa antsoina hoe SMGD na “Société municipale de gestion digitale” ny CUA. Ny 18 aogositra teo no hoe tapitra hatreo ny Easy park. Iny andro iny nigadona mihitsy ny mpiasa ety an-kianja rehetra vao nampilazana hoe efa tsy Easy park intsony ianareo fa SMGD. Tsy mbola nisy taratasy nilatsaka taty aminay hoe izao ianareo no mifindra any talohan’io 18 aogositra io. Raha nisy izany “notification” izany dia mba afaka nangataka ny STC na “solde de tout compte” anay rehetra izahay. Tsy nisy vola noraisinay na ny kely aza. Tokony nalamina anefa izany STC izany toy ny fahaelana na “ancienneté”, ny “congé” na fiatoana, ny volan-jaza. Voaray izany rehetra izany vao mifindra ao amin’ny SMGD izahay. Tsy mbola naharay anefa izahay hatreto ary tsy afaka ny miala an-daharana na manao “abandon de poste”, araka izao hahitanareo anay mbola mitafy haron’akanjo izao. Efa manaiky io izahay hoe miasa amin’ny SMGD. Mangataka ny hamoahana ny STC anay rehetra nandritry ny niasanay 5 taona tao amin’ny Easy park izahay, hoy hatrany izy ireo, ary tsy hiala eto raha tsy mivoaka ny volanay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.