Mpiasan’ny CUA

An-jatony noroahiana, ny karama janoary tara ny sasany


  • Zoma 09 Febroary 2024

Raha ny fako sy ny loto tsy voaroaka no isan’ny malaza mikasika ny

Kaominina Antananarivo Revivohitra na ny CUA, dia miverina na mitohy angamba no azo ilazana azy ny olana mahazo ireo mpiasa. Raha ny loharanom-baovao, mpiasa sokajy ECD (Emploi de Courte Durée) miisa 247 no tratry ny fandroahana, ary misy vitsivitsy voalaza fa efa naverina avy eo. Hatramin’ny omaly atoandro ihany koa dia mbola tsy voaray ny karama volana janoary ho an’ny mpiasa sasany, raha ny loharanom-baovao. Manambana ny hitroatra ireo mpiasa raha tsy azo hatramin’ny anio 09 febroary ny karama, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Misy ihany koa anefa ireo noroahina miezaka ny ho tony sy mandady rariny mba hahafahana miverina manohy ny asa satria tena ao anatin’ny fotoan-tsarotra no isehoan’izany. Miantso ny mba hijerena azy ireo noho izany ireo mpiasa eo anivon’ny CUA eo anatrehan’ny olana mahazo azy ireo. Midika izany, fa misy olana ara-bola eo anivon’ny kaominina. Hatramin’izao rahateo tsy voatendry ny Filohan’ny delegasionina manokana na PDS, taorian’ny nanendrena ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ho Minisitry ny fanajariana ny tany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT