Sosialy

Mpiasan’ny ANS Ampefiloha Efa 11 volana tsy nandray karama


  • Talata 24 Novambra 2020

Niombom-peo indray ny mpiasan` ny ny Académie Nationale des Sport

 

 

 

Ampefiloha (ANS) manaitra ny fanjakana amin`ny fandoavana ny karamany 11 volana. Mikoroso fahana ny fiainan` ny mpiasa miisa 43 ankehitriny. Efa nanomboka ny volana janoary ireo « mpanadio, mpiambina, sekretera sy ny maro hafa… » ao amin’ny ANS no tsy nandray ny karamany kanefa niasa foana araka ny fanazavan’izy ireo. Fifanarahana arak’asa tsy voafetra ara-potoana no mampifamatotra azy ireo amin’ny ANS. Efa maro ny fangatahana efa nataon’izy ireo hitakiana ny karamany saingy tsy mbola nahazoam-baliny mihitsy hatreto. Raha tsiahivina dia tamin` ny iray volana izy ireo no nampanaovina dosie ary nampanantenaina fa hivoaka ny vola vantany vao vita izany saingy tsy mbola nahazoam-baliny ihany hatreto. Manao izay nampandehanana ny asam-panjakana rehetra kanefa hatramin` izao tsy nisy izany. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izy ireo mba hijery ny momba azy ireo. Sampandraharaha tsy miankina amin’ny am-pahany amin’ny fanjakana no sady eo ambany fahefan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny ANS. Araka izany, « mangataka ny hampidirana anay ho mpiasam-panjakana ihany koa izahay satria efa taona maro no laninay tato . Misy efa 10 hatramin’ny 23 taona niasana tao mantsy ireo mpiasa ireo”  araka ny fanazavana hatrany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT