MPIASAN'NY SINOA

ENY BEHORIRIKA Miasa foana, tsy mitombo ny karama...


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

Niasa avokoa ny ankabeazan'ireo Malagasy

miasa amin'ireo tranom-barotra ana tera-tany Sinoa miorina etsy Behoririka omaly Alarobia 11 Febroary. Tsy nisy fifampidinihana hoy ny mpiasa iray nanaiky niresaka tamin'ny mpanao gazety fa toy ny isan'andro ihany na dia efa ny fanjakana izao mihitsy aza no nilaza fa andro tsy fiasana ny andro omaly noho ny fandalovan'ilay rivo-doza mahery vaika Gezani teto Antananarivo. Velon-taraina mafy izy ireo noho izany. Ankoatra izay hoy hatrany ireto mpiasa miasa amin'ny Sinoa etsy Behoririka ireto dia tsy mba misitraka fisondrotan-karama mihitsy izy ireo nefa ny asa mafy. Tsy mipaka aty aminay mihitsy ny fisondrotan-karama hampiharin'ny Fitondram-panjakana hoy izy ireo raha mba misy ihany ireo tsy miankina mahazo tombony amin'izany. Miantso ny tompon'andraiki-panjakana mba hidina ifotony hanara-maso ny fomba fitondrana mpiasa hataon'ireo tera-tany Sinoa etsy Behoririka araka izany izy ireo. Maro ny tsy rariny hiainanay hoy ny sasany saingy tsy misy mpahita sy mpijery. Tsiahivina moa fa mbola nisy koa ireo nanohy ny asany toy ny mahazatra omaly noho ny fitadiavana an-dRavola. Anisan'izany ny mpivarotra izay ny vola azony androany no hakany entana sy hitsinjovany ny ampitso.
Pati
Légende : Mahatsiaro maharary ireo tera-tany Malagasy miasa amin'ny Sinoa eny Behoririka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT