Sosialy

Mpiasam-panjakana matoatoa Miisa 120 ireo efa tratra hatreto


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Mbola betsaka ireo mpiasam-panjakana matotoa eto amintsika. Miisa 120 sahady ireo tratran’ny « Association Sportive Interministerielle pour l’éducation des fonctionnaires » tarihin’Atoa Randrianarison Jean Aimée Botosera, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : John love.

 

 

 

 

Tratra tamin’ny alalan’ny fitiliana sy fanaraha-maso nataon’ny fikambanana ireo, hahafahana miady amin’ny gaboraraka sy ny fandaniana ny volam-panjakana misandrahaka amina ministera miisa valo ka misy ny any amin’ny faritra. Nisy  ireo ministera tena tsy faly vokatr’izany hoy Atoa John love raha nisy ihany koa ireo tonga saina ka efa nanalana ireny mpiasam-panjakana matotoa tao amin’ny ministera iadidiany. Mbola hitohy hatrany ny hetsika tanterahin’ny ASIEF hoy hatrany Atoa John love ka anisan’ireny ny fikarakarana ilay fifaninana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra tao an-drenivohitr’i Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 10.000  ireo tonga nandray anjara tamin’izany raha araka ny fanazavany raha 8.000 no nandrasana. Fahombiazana tanteraka no azon’ny ASIEF vokatr’izany,  izay tsiahivina fa hetsika miditra amin’ny andiany voalohany. Fizarana mari-pankasitraka ho an’ireo mpiasam-panjakana nivoaka ho mpandresy tamin’ireo lalao ara-panatanjahantena rehetra misy nokarakaraina moa no namaranana ny lanonana  ny Sabotsy hariva teo.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT