Sosialy

Mpiasam-panjakana matoatoa ]591 tratra, 7007 mbola hamarinina


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Nampahafantarina tamin’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra omaly 21 oktobra, fa 591 ireo olona mandray volam-panjakana haato tsy handray karama intsony manomboka amin’ny faran’ity volana oktobra ity, taorian’ny fitsirihana tamin’ny alalan’ny rindram-baiko “Augure”.

 

 

 Hampiakarina Filankevi-pifehezana ihany koa izy ireo. Olona nandray vola kanefa tsy miasza na tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna izy ireo, kanefa dia nisitraka ny volam-panjakana, raha ny tatitra. Miisa 7007 ireo mbola eo am-panamarinana azy ireo ny ao amin’ny Fitantanam-bola. Midika io, fa mbola tsy mety madio ny fisiana mpiasam-panjakana matoatoa, izay efa an-taonany maro no nanadiovana azy, fa tsy vao tamin’ity fanjakana ity. Midika io, fa manjaka sy mandeha hatrany ny kolikoly, ary olona manana fahefana sy manana andraikitra no afaka miketrika sy mikotrika an’ireny, fa tsy olon-tsotra velively.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT