Sosialy

Mpiasa torana teny Anosizato Orinasa telo no hanaovana fanadihadiana


  • Talata 07 Janoary 2020

Orinasa telo no hanaovana fanadihadiana lalina ary tsy maintsy handraisana fepetra raha ny vaovao azo mikasika ireo olona 70 isa torana vokatry ny fofona fanafody

 

 

 

 

 famonoana biby kely niparitaka teny Anosizato Andrefana  ny Sabotsy lasa teo. Lohalaharana amin’izany ilay orinasa afaka haba Gama textile izay nisy ireo mpiasa 70 isa torana. Eo ihany koa ilay orinasa mpanondraka ranom-panafody famonoana bibikely  ary fahatelo farany dia ilay orinasa  mpanao provandy manakaiky ity orinasa afaka haba iray ity. Ny ôfisim-pirenena misahana ny tontolo iainana na ny ONE no hanao ny fanadihadiana izay nanambara fa mbola eo am-pangatahana ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ao amin’izy ireo ny Gama textile ankehitriny. Efa nanana izany ihany ity farany teo aloha  fony izy mbola teny Tanjombato raha ny fantatra saingy raha vantany vao nifindra teny Anosizato dia tsy maintsy manavao izany indray. Tsiahivina moa fa roa sisa tamin’ny Alahady teo ireo mpiasa mbola notsaboina tao amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha raha efa tapitra nivoaka avokoa ny ambiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT