Sosialy

Mpiasa tena Mila tohana avy amin’ny fitondram-panjakana


  • Talata 21 Aprily 2020

Anisan’ny maty antoka ary tena feno fahasahiranana ireo mpiasa tena izay maro an’isa eto amin’ny firenena hatramin’ny nanombohan’ny krizy. Tokony mba hojerena manokana izy ireo satria efa maro ny nandany hatramin’ny masonkarena.

 

 

 

Velon-taraina ny mpandraharaha madinika iray izay efa nivelona tamin’ny famarotana ireo lamba voazaitra (confection) alaina eny amin’ny sinoa. Nanambara i Ramatoa Hanitriniala fa sady tsy misy ny entana ary lany sakafo ny vola maty an-davan’andro. Ity farany anefa dia afaka mivarotra lamba hatrany amin’ny 200 isa farafahakeliny isam-bolana ary nanana tahiry talohan’ny krizy. Amin’izao fotoana izao anefa dia zara raha misy entana amidy ary na ny tahiry aza efa tsy misy intsony araka ny fanambarana. Nilaza ny tenany fa ny mpiasa tena tahaka azy no betsaka eto amin’ny firenena ka tokony hojeren’ny fanjakana manokana. Tokony hisy hoy izy ny fonds na ny fampindramam-bola tsy misy zana-bola na misy fa zana-bola tena ambany be (intérêts symboliques) hananganana indray ireo mpiasa tena rehetra izay lasibatry ny krizy.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT