Sosialy

Mpiasa nahavita be Nahatratra 268 ireo notoloran’ny Star mariboninahitra


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Tsy manadino ireo mpiasa nahavitabe tao aminy ny orinasa Star hahafahana mampiakatra ny hambom-pon’izy ireo. Miisa 268 ireo nahazo izany tamin’ity taona 2019 ity,

 

 

  mpiasa avy any Antsiranana sy Antsirabe ary eto Antananarivo, hetsika fanaon’izy ireo isaky ny roa taona. Nizara enina karazana ireo mari-boninahitra natolotra azy ireo tamin’izany. Anisan’ireny ny « Ordre National Malagasy » ary « Ordre de Mérite » ka  miisa  116 ireo  nahazo ny medaly alimo, 86 medaly volafotsy.  13  isa kosa no nahazo ny « Chevalier de l’ordre de merite Malagasy », 47 « Chevalier de l’ordre national Malagasy », 05 « Officier de l’Ordre National de Madagascar » ary 01 nahazo ny « Officier de Mérite de Madagascar ». Nandritra izao lanonana fanomezana mari-boninahitra izao moa dia nampihaina hatrany ny soatoavina telo izay voiziny ny orinasa  Star  toy ny  fifanajana , ny  fandrianana ny mpanjifa » ary ny « fampitomboana sanda ny fiharin-karena maharitra ». Tonga nanatrika ny lanonana, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny orinasa Star.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT