Sosialy

Mpiasa Malagasy “Efa misotro aleoko maty”


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Orinasa efa maro no migrevy izao, hoy ny Randrana sendikaly, nandritry ny fikaonandoha nandraisan’izy ireo anjara tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly.

Grevy tsy ara-dalana ireny fa dia mitroatra fotsiny ilay mpiasa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Didim-pitondrana avy amin’ny minisiteran’ny asa tsinona sisa io andrasana io mikasika ilay resaka fampiakaran-karama. Tsy hijanona io grevin’ny mpiasa io fa hifakatahaka eo. Atahorana ny fipoahana. Tsy ohatran’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina hoe rehefa migrevy dia mandray karama fa na eo aza izany tsy fandraisan-karamany anaty grevy izany dia efa misotro ny aleoko maty izy io. Efa zava-doza izany. Maika ny famoahana eo anivon’ny filankevim-pirenena momba ny asa na CNT ilay sokajy sy ny karama ho raisin’ny mpiasa fa tsy odiana fanina toy ny tamin’ny 2019. Mihetsika daholo koa izao ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa misotro ronono. Miitatra ny fitakiana. Ianao milaza fa asa miforona miisa 40.000 no tratrarina amin’ny faran’ny taona nefa ny efa eo aza tsy voavaha ny olana. Mbola fisondrota-karama amin’io no resaka. Ankoatran’ny fanairana ny amin’ny tokony hanatanterahana io didy io moa dia efa manentana ny mpiasa rehetra izahay hoe samia isika manentana ny any amin’ny toeram-piasany avy mba hanery ny tompon’ny orinasa hifampiresaka. Rehefa tsy hifampiresaka izy dia afaka adidy amin’ny mety ho fipoahana rehetra isika. Misy mpampiasa miziriziry hoe tsy ampiakatra. Misy orinasa vao omaly izao mihoatra ny 2500 ny isan’ny mpiasa ao aminy dia tonga dia niverina nankany aminay ny delegen’ny mpiasa hoe tsy hampiakatra izany fotsiny izao hono zareo satria hoe mbola tsy maintsy ampiakatra ny sarany alohan’ny mpanjifany. Ny resaka ato nefa hoe ny fanjakana no andoa ilay 30.000 Ariary. Misy efa manao kajy izany hoe sady haka any amin’ny mpanjifa no haka any amin’ny fanjakana. Tokony ho fantatry ny sampana mpanara-maso ny asa fa tsy nisy mihitsy tato anatin’ny herinandro izao hoe vondron’olona na antokon’olona na sendika nanentana hoe tokony hitokona ianareo fa efa mitroatra ho azy izao ireo mpiasa ireo, hoy hatrany ny Randrana sendikaly. Ankoatran’ity farany moa dia niatrika ity fifanakalozana sy fikaonandoha ity teny an-toerana koa ny Sekrima, SVS, USAM, izay samy mpikambana anatin’ny Industrial Global Union.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT