Sosialy

Mpiasa any Nosy be, Ambanja, Ambilobe “Famerenana latsakemboka no mahazo ireo mitaraina”


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Tsy hoe nangingina na natoritory ny Randrana sendikaly tao anatin’izay 1 volana nametrahana ny fitoriana mahakasika ny orinasa CNaPS izay,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, fa nametraka tany amin’ireo faritra hoe ahoana no hanohizana ny tolona? Niresaka tamin’ireo mpiasa sy raiamandreny misotro ronono tany mihitsy izahay, hoy izy, momba ity tolona hamahana ny olana ara-tsosialy mifandray amin’ny raharaha CNaPS ity. Nisy fihaonana tamin’ny raiamandreny misotro ronono tany Toamasina, ny talem-paritry ny CNaPS tany Toamasina koa nihaonana ary nanontaniana hoe ahoana ny fomba fiasany eto amin’ny faritra Atsinanana ity? Nolazain-drizareo fa mitety orinasa foana isam-bolana rizareo. Ny mahagaga anefa dia mbola misy mpiasa mitaraina foana hoe misy latsakemboka tsy voaloa tamina taona sasany na 3 volana sasany. Mila tena araha-maso akaiky noho izany ity fitantanana ny volan’ny mpiasa ao amin’ny CNaPS ity. Nandefa iraka tany Nosy be, Ambanja, Ambilobe koa izahay satria mila itambarana ny tolona fa tsy vitan’ny eto Antananarivo irery ity tolona momba ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa mikambana ao amin’ny CNaPS ity. Enjana be raha ny zava-misy ao amin’ny faritr’I Diana fotsiny izao. Izay olona mitaraina rehetra dia lasa famerenana latsakemboka daholo na “remboursement” no omena azy satria hoe nisy latsakemboka tsy nalohan’ny orinasany. Ilay 1% koa anefa eo no naverina fa tsy ilay 14%. Izany no tena mampitaraina tany amin’iny faritr’I Nosy be, Ambanja, Ambilobe iny. Toy ny valala voatango tsy mahalala na inona na inona no sady mahazo vava be amin’ny mpiasan’ny CNaPS ireo mpiasa hatramin’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT