Sosialy

Mpiasa anaty FISEMARE Nanampy ireo mponin’i La Réunion kely


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Noho ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny mpiara-belona dia tonga teny La Réunion kely ny sabotsy teo ny avy eo

anivon’ny sampana asa soa anatin’ny sendikan’ny mpiasa mivondrona anaty FISEMARE na ny ADSE nitondra ny voatsirambin’ny tanan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanangonana 1251 Ariary, izany hoe karaman’ireo mpiasa malagasy mandritry ny ora iray mikambana ao anaty FISEMARE, raha toa ka raisina ho 217.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Navadika ho filana andavan’andro toy ny vary, paty, lamba, menaka, savony moa izany, raha ny fanampim-panazavana, mba ho zaraina amin’ireo mponina eny an-toerana. 300 eo no isan’ny solontenan’ny mpiasa nandray anjara tao anatin’izany, raha ny monina eto Analamanga. Santatra ity fa mbola ho avy ny an’ny faritra isanisany. 300 tafo ihany koa ireo mponina eny an-toerana ary 1400 olona ka ireo komity miisa 10 eny an-toerana no mizara izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT