Vao mainka miha mafy ankehitriny ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny rano eto Antananarivo
renivohitra sy Madagasikara amin’ny ankapobeny, hoy ny Federasionin’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto Madagasikara. Efa nahazoana fitarainana efa ela io, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, ary tonga hatrany amin’ny hoe tsy fisian’ny rano anaty hopitalim-panjakàna. Tsy nitaza-potsiny ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa nanome ny soso-keviny ary isan’ny asan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny mihaino sy mitondra ny soso-kevitsika mpanjifa tany amin’ny tomponandraikitra tsirairay avy. Eo ny governemanta mpanatanteraka. Vahaolana naroso ny hoe rehefa tsy misy ny rano na ritra ny rano dia andao ary asiana ny atao hoe «forage» na fandavahana lava-drano. Noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ala tapahana dia tsy voatazona intsony ny rano fa lasa ritra any ambanin’ny tany. Vahaolana faharoa ny hoe ampitomboy ny isan’ny «bombonne» na ireny sinibe fitsinjaràna rano ireny. Fahatelo ny fisian’ny siterina izay efa tazantsika eny amin’ireny fokontany misy antsika tsirairay ireny. Tsy mora ny manao zavatra. Tsy anjaran’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny manome rano anao any an-tokantranonao na toeram-piasanao. Ny mitondra ny hetahetanao sy ny vahaolanao no anjarany. Solontenanao eny anivon’ireny fitondram-panjakàna sy governemanta ary minisitera tsirairay ireny ihany no asan’ny atao hoe mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsy misy afa-tsy ny fitenenana matetika ho an’ireo tomponandraikitra no ahafahana manery azy ireo hamaha olana fa indrindra ny fandondomana varavarana tsy ampihambahamba any amin’ireo tomponandraikitra tsirairay avy ireo. Manomboka any amin’ny JIRAMA sy ireo mpikamban’ny governemanta izahay no mitabataba hoe jereo izay hamahana haingana ity olan’ny jiro sy rano ity! Efa io ny vahaolana maika. Miandry ny vahaolana maharitra isika. Raha ny JIRAMA no resahina dia orinasa efa maty izany JIRAMA izany. Ny vahaolana mikasika azy dia hoe apetraho ny orinasa mpifaninana amin’izany JIRAMA izany! Ohatra amin’izany ny fampidirana ny atao hoe angovo nokleary na «Energie nucléaire» izay efa fampiasan’ny firenena matanjaka sy an-dalam-pandrosoana na «tiers monde» toy ny ao Azia atsimo atsinanana, Chine, Inde. Faharoa dia zonao mpanjifa ny mitokona na manao «sit in» ary lalàna velona iraisampirenena izany hanairana ireo tomponandraikitra hoe mihetseha ianao, vahao ny olan’ny mpanjifa! Amin’ny maha «sit in» azy moa dia mijoro am-pahamendrehana ianao manatontosa azy, hoy hatrany ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.