Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Mikaroka vahaolana momba ny faktioran’ny JIRAMA


  • Talata 13 Oktobra 2020

Misy tokantrano efa nahazo sahady ilay faktioran’ny JIRAMA nandritra ny fihibohana tsy voaloa eto an-drenivohitra.

 

 

 Raha araka ny fantatra dia tena midangana tokoa izany faktioran-jiro izany na dia mbola amin’ny taona vaovao 2021 aza ny tokony handoavana azy. Manoloana izany dia fantatra fa hifampiresaka mivantana amin’ny JIRAMA ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa na dia efa manana solontena ao anatin’izany aza izy ireo. Hangataka hiditra eny anivon’ny Ministera tsirairay avy ihany koa ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa hanitsiana ny tsy mety sy hialana amin’ny gaboraraka manomboka izao. Anisan’izany ny Ministeran’ny varotra sy fanjifana izay misahana manokana ny fiakaran’ny vidin’entana eto amintsika. Tena miaka-bidy tokoa mantsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eto amintsika hoy izy ireo na dia mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana aza isika ka mila tsy ho zakan’ny vahoaka intsony. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mikasika ny fitanteram-bahoaka izay nahafatesan’olona maromaro tato ho ato. Tokony handray fepetra hentitra ny mpitandro ny filaminana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hoy Atoa Henrie Lenou, mpitarika ny Garduc Madagascar. Aiza ny fampiharana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ho an’ny rehetra hoy hatrany izy, fa toa manao izay tiany hatao avokoa ny rehetra ? Hihaona mivantana amin’ny praiministra moa izy ireo hanolotra izany soso-keviny ho fanajana ny zon’ny mpanjifa eto amintsika izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT