Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Mibizina amin’ny anaran’ny mpanjifa fotsiny ?


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Nankaiza ry mpiaro ny zon'ny mpanjifa toa mangina tato ho ato sa vizaka mijery Mondial? Toa natao hampalazana tena sy hanaovana fitaovana hitadiavam-bola ny fitondrana ilay anarana mpiaro ny zon’ny mpanjifa rehefa tena dinihina.

Mandeha delestazy izay efa tena mampitoreo ny vahoaka, saingy mangina izy rehetra amin’ny ankapobeny ary ny olona isan’ny nimenomenona fatratra tamin’izany aza moa toa voky dia nipirina, hoy ny besinimaro. Natao fitaovana nahazoana seza ilay anarana dia mangina tanteraka. Ny sasany aza toa lasa mpiaro Fanjakana mihitsy tamin’ny resaka fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny resaka vidin’entana moa, dia nisy nanao fitadiavam-bola, toy ny hoe: “omeo 7 millions fmg dia alamina alamina ny mpanjifa”. Tamin’ny raharaha solika mitapoka, tsy nangina izy rehetra. Asa hoe: inona izany no ilàna an’izy ireo? Mialokaloka fotsiny ao ambadiky ny hoe: firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon’ny mpanjifa saingy toa mpibizina amin’ny anaran’ny mpanjifa no tena azo hamaritana ny ankamaroany. Na ireny resaka fitadiavam-bola niaro hafetsena ireny, tahaka ny ANTARES MACROPAULINE,… aza dia heverina fa tokony ho nisy fampanenoana lakolosy nataon’izy ireo. Ny Fanjakana moa tsy hita izay fandraisana andraikitra na Malagasy maro aza no voasoloky sy very vola. Asa hoe: olona any ambadiky ny Fanjakana ve no manao ireny ka dia vitavita ho azy teo fotsiny
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT