Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa “Lojika raha tsy voafehy ny vidim-piainana


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Nitontogana ny fahefa-mividin’ny Malagasy tamin’ity taona ity, hoy ny avy eo

 

anivon’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC. Tafiditra tanaty valanaretina Coronavirus isika, tafiditra koa avy eo tamin’ny tsy fampiharana ny lalàna miaro ny zon’ny mpanjifa na “décret d’application”. Nampanantena ny minisitry ny varotra sy indostria ary asa tanana hoe faran’ny taona fa mandrak’ity ny androany tsy hita izay niafarany, hoy ny filohan’ny RNDC, Lita Rabetsara na Ralita. Nesorina tao moa ilay resaka fanjifana izany hoe lasa nohamaivanin’ity minisitera ity ilay izy. Porofon’izany ny tsy fanatanterahana ny lalana 2015-014 momba ny fiahiana ireo mpanjifa natolotray ny taona 2015. Nangataka ny ametrahana ny atao hoe “agence de protection des consommateurs” natao hamaritra ny vidin’entana ilaina an-davan’andro io. Resaka vidiny sy tombom-barotra tokony ho alain’ny mpivarotra tafiditra ao. Ny “agence de transport terrestre” izao afaka mametra ny saran-dalana. Tsy misy noho izany ny sehatra ara-dalana hifehezana ny vidim-piainana ary lojika raha tsy voafehin’ny minisitera izany, hoy hatrany izy. Midika izany fa tsy mahafehy vidin’entana ny minisiteran’ny varotra ary tsy miraharaha mpanjifa loatra. May, jona na jolay fara-fahatarany izahay taloha dia efa miresaka amin’ny mpandraharaha mialohan’ny fahatongavan’ny maitso ahitra toy izao isaky ny renivohi-paritra handinihina izay fomba hifehezana vidin’entana. Efa fantatry ny minisiteran’ny fambolena fa foto-tsakafontsika ny vary ka tokony hafainganiny izany hisian’ny famokarana isaky ny Ha. Tsy ampy ny fanabeazana momba ny hoe ketsa 8 andro ahitana 6 na 8 taonina isaky ny Ha toy izay hijanona 2,5 taonina nefa tsy tokony hanafatra vary intsony, hoy hatrany ny RNDC.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT