Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Hanentana ny olon-tsotra indray


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Nisy ny hetsika nokarakarain’ny MCI (Mouvement des Citoyens contre l’Inflation) sy ny RNCD (Réseau National de la Défense des Consommateurs),

 

izay samy mpiaro ny zon’ny mpanjifa, omaly alarobia 8 aogositra tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia fasan’ny karana. Maro tamin’ireo vondron’ny mpitatitra moa no niara-nanaiky nanoina ny hetsika hiadiana amin’ny fidangan’ny solika. Aorian’ny fidinana ifotony eny Ambodivona sy Andohatapenaka dia hanentana ny olon-tsotra manana fiara sy moto indray izy ireo. Tsiahivina fa efa nisy mihitsy ny fivoriambe niarahana tamin’ny zotra nasionaly sy rejionaly, ny fiarakaretsaka ary ny mpitondra ireny fiara lehibe na kamio ireny ary efa samy resy lahatra ny amin’ny ady hatao amin’ity fiakaran’ny solika ity izy ireo. Etsy an-daniny, efa nisy fampiantsoana nataon’ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo amin’ireto mpiaro ny mpanjifa ireto ary nanambara mazava izy ireo fa hanaiky hifampiresaka sy hitondra ny vahaolana avy any aminy. Nanizingizina hatrany anefa ny minisitra tamin’ny fanambarana nataony fa tsy maintsy arahina ny vidy mangarahara (verité de prix) amin’ny solika ary tsy manam-bola andoavana ny elanelan’ny sarany tena izy sy ny eny amin’ny mpandraharaha ny fanjakana. Handrasana ny tohin’ity olana miantraika tanteraka amin’ny aty vilanin’ny Malagasy ity satria iaraha-mahalala fa rehefa miakatra ny solika dia miteraka fidanganan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny mihitsy.

Tsirinasolo

    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT