Sosialy

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Aoka tsy hanaiky atao marionety, hoy ny MCI


  • Talata 26 Janoary 2021

Tafiakatra misesy ary tsy voafehy intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara,

 

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny hetsiky ny fanoherana izany na MCI. Isany ny vary izay foto-tsakafo sy ilain’ny Malagasy isan’andro. Raha nanome sosokevitra ny fanjakana foibe ny amin’ity fanafarana vary amidy mora ity dia hitantsika ary hitanay tamin’ny fidinana ifotony nataonay, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, fa tsy nampidina ny vidim-bary vokatra eto an-toerana, izay tsara kalitao sy be mpitia, izany fa vao miha nampiakatra azy. Tsy vahaolana izany ny fanafarana vary na ho amidy 200 ariary aza ny kapoaka satria tsy manara-penitra ny kalitao. Tsy tokony hahazo fahazoan-dalana ho amidy na “certificat de consommabilité” akory. Afaka midina mijery ny zava-misy ny minisitera fa tsy voafehy intsony ny fiakaran’ny vidim-bary. Tsy manan-danja ny dikan’izay ny vary nafarana. Apetrao amin’ny toerany ny sehatra tokony hikarakara ny resaka vary eto Madagasikara dia ny PCA izany. Tomponandraikitra voalohany amin’ny fikirakirana vary eto Madagasikara io vovonana io. Misy solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpamongady, mpamboly, mpandraharaha ao. Aoka isika mba samy hifanaja sy hahay hametraka ny toeran’ny tsirairay avy amin’ny asany ary isika mpiaro ny zon’ny mpanjifa koa aoka tsy hanaiky atao marionety, hoy hatrany ny MCI.

 

J. Mirija

 

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT