Sosialy

Mpianatry ny INSCAE Nanampy zaza kamboty sy sahirana miisa 300


  • Talata 26 Janoary 2021

Miditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-

 

 

 


pivelomanana ireo mpianatra mandala ny taranja "comportement de manager" na toetoetran'ny olona mpitarika sy mpitantana, izany hoe haifitarihina, eo anivon'ny sampam-pampianarana ambony tsy miankina INSCAE omaly. Nisantaran’izy ireo izany fanohanana izany ireo zaza kamboty sy sahirana teny amin’ny Akany Fitahiantsoa, Ankorondrano. Nisy ny fanomezana fiofanana amin'ny resaka fandraharahana ho an'ireo mpitantana ny akany, ary fanomezana fitaovan-dakozia sy Lafaoro mba afahan'ny Akany mamokatra sakafo hamidy. Tanjona ny ahafahan'ity Akany ity mampitombo ny vola miditra ao aminy, hikarakarana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana manodidina ny 300 isa ao an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana. Lalan-tsaina entin'ireto mpianatry ny INSCAE ireto ny ahafahan'ny Akany miodina amin’ny alalan'ny vola ampidirina fa tsy hitavandra fanampiana foana. Miara-miasa amin’ny ministeran'ny mponina sy ny orinasa tsy miankina Tsirisoa kosa izy ireo ho fanatontosana ity tetikasa antsoina hoe "Avotr'Akany" ity. Mbola hitohy amin’ny sehatra sosialy hafa ny tetikasa ary amin'ny maha mpianatra eo amin’ny resaka fitantanana sy fitarihana dia tafiditra ao anatin'ireo fianarana sy ny fiofanan'ireto mpianatra ireto ny firotsahana an-tsehatra tahaka izao, hoy ny fanamarihan’izy ireo.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT