Sosialy

Mpianatr’Ankatso Manome 72 ora ny mpitondra mba hamahana ny olan’izy ireo


  • Zoma 17 Janoary 2020

Manahy mafy ny amin’ny hoaviny ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Raha araka ny fanazavana nentin-dRasolonirina Odilon,

 

 

 

 

 mpitondra tenin’ny mpianatra omaly mantsy dia efa volana maromaro izy ireo izao  no tsy afaka nanohy ny fianarany intsony nefa dradrain’ny mpitondra  hatrany fa ny tanora no antoky ny ho avy. Namory mpanao gazety namoaka ny hetahetany izy ireo  omaly ka nilaza fa manome 72 ora ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny mba hieritreretana haingana hahafahana mamerina ny fampianarana amin’ny laoniny. Tafiditra ao anatin’izany ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika izay tsy hita intsony izay tena fanapahan-keviny hatreto. Nomarihin-dRasolonirina Odilon moa fa lainga ny fivoizana sy ny  filazana fa hataon’ny SECES fitaovana izy ireo. Maharary ny Seces, hoy izy matoa tsy mety mampianatra ary tsy afaka hanery azy ireo mba hampianatra anay izahay  noho izany ny fanjakana ihany no tena tompon’ny vahaolana. Nomarihin’ireto mpianatra ireto moa fa raha sanatria tsy mamaly azy ireo  ny mpitondra ao anatin’izay 72 ora izay dia hamory ireo mpianatra eny Ankatso rehetra izy ireo amin’ny talata ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora maraina  handinika izay paikady hanohizana ny tolona.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT