Mba ho fanampiana ireo mpianatry ny oniversite mipetraka eny Ankatso dia nanao tsipaipaika ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ny mpianatra
manerana ny faritra 22 hividianana savony ho an’ireo mpianatra. Savony 30 baoritra ho ana Bloc miisa 140 no voahangon’izy ireo, raha ny fanazavana omaly. Antony dia satria efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiainana an-davan’andro amin’izao fotoana izao ny fiarahamonina malagasy ka tsy afaka manasa tanana araka ny tokony ho izy ireo mpianatra mialohan’ny hiverenany amin’ireo fonenany sy hampiasan’izy ireo ny fananana iombonana maro ety, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Manato. Kofafa aza iombonana tsinona ety. Tsy latsaky ny 5000 ny isan’ny mpianatra mipetraka eny amin’ny fonenan’ny mpianatra, hoy izy ireo, ka noho izany dia tsy hahasehaka aloha raha ny azo am-pelantanana. Misy moa ireo efa nody dia ireo mbola tafajanona noho izany no nezahana nizarana ireo fanampiana. Ao anatin’izany indrindra no ilazana fa zanak’olona sahirana amin’ny ankapobeny ny zanak’olona ety kanefa ny lalam-pirenena mbola mikatona. Miaina amin’ny vatsy alefan’ny ray aman-dreniny noho izany ireo mpianatra. Manao antsoavo ny fitondram-panjakana noho izany izy ireo mba hijery manokana ny momba azy satria na dia teo aza ny Vatsy tsinjo sy Tsena mora dia tena mbola sahirana izy ireo. Hanaovana antso avo toy izany koa ny lafiny fandriapahalemana satria miha manjaka eny, indrindra, ny hala-botry.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.