Sosialy

Mpianatra malagasy manohy fianarana any Torkia Hampitomboina avo roa heny


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Tonga tetsy amin’ny lisea tekinika Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny Fondation Moarif, Torkia, nanazava ireo mpianatra teny an-toerana ny fomba atao raha maniry hanohy fianarana any aminíty firenena iray ity.

 

 

Tombony, raha ny fanazavan’ny tale misahana ny ambaratonga faharoa sy fampiofanana ho an’ny daholobe, Christian Rakotozanany, dia ny hahafahan’ireo mpianatra mahazo vatsim-pianarana sy diplaoma eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fahazoana mandranto fianarana amina oniversite toy itony na ho an’ny eto an-toerana na any ivelany dia maneho ny fivelarana indrindra ao anatin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Manana oniversite manan-danja isika saingy tery ny toerana eto. Ny volana martsa izao no hisy ny fifantenana voalohany. Tsy mbola voafaritra hatreto ny isan’ireo hisitraka izay vatsim-pianarana izay ho amin’ity taona ity. niisa 19 kosa tamin’ny taon-dasa. Tanjona ny hampitombo avo roa heny izany amin’ity taona ity ary anton’ny fiaraha-miasa amina fikambanambe toy izao, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT