Sosialy

Mpianatra malagasy any Maraoka Miantso vonjy, fa mbola tsy nandray vatsim-pianarana


  • Talata 09 Jolay 2019

Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana izahay mpianatra aty Maraoka. Antony, nohon'ny tsy mbola naharaisanay ny vatsy "allocation 2017-2018”, izay vola, voalaza fa efa nivoaka ny volana janoary 2019, saingy tsy mbola tonga any amin’izy ireo amin’izao,

 

 

satria hoe tsy manana saran-dalana, ahafahany mandeha any Maraoka ny “agent comptable” miasa ao amin'ny “Ambassade de Madagascar” any Dakar. Nisy ny fitadiavana vahaolana sy sosokevitra naroso  ny handrotsahana ny volan’izy ireo any amin’ny banky na “virement bancaire”, saingy tsy neken'ny mpiandraikitra izany, hoy ny vaovao avy any an-toerana, eny fa na dia ireo mpianatra “beneficiaires” aza no hiantoka ny lany amin’ny fandoavana ny sara-dalana sy ny tapakila an’io mpitam-bola io.Nitondra ny fitarainana maro tany amin'ny tompon'andraikitra izy ireo, saingy nandamoka daholo izay natao rehetra, ny hany hery dia miantso ary mandefa hafatra ampahibemaso mba ho tonga an-tsofin'ny tompon’andraikitra ny olan’izy ireo, ka hahitan'izy ireo vahaolana haingana. Marihana, fa “tsy mandray vatsim-pianarana avy amin'ny fanjakana Marokanina izahay mpianatra mandritra izao fiala-tsasatra izao”, hoy izy ireo. Sahirana ihany koa  ny ray aman-drenin’ireto farany, araka ny fantatra.  Izahay ihany koa dia miaro ny voninahitr’i Madagasikara amin'ny fianarana izay ataonay aty, ka mangataka ny zonay izahay, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.

 

Sitraka r.  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT