Sosialy

Mpianatra ho dokotera ao amin’ny CHU-JRA Mampitaraina ny mana-marary


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Tovolahy iray vao erotrerony no voadonan’ny fiara ny alatsinainy 11 martsa 2019 teo, tao Farango Analamahitsy. Naiditra tetsy amin’ny CHU-JRA Befelatanana izy io. Voalazan’ny fianakaviana fa ny tandrevak’ireo mpianatra ho dokotera no antony nampodimandry ity naratra ity ny alahady teo.

 

 

 

 Raha ny voambara hatrany dia nirahin’ny tao am-piasana handeha hanatitra vola mitentina 4 tapitrisa ariary tany amin’ny banky izy no voadonan’ny fiara raha nitondra moto. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly ary ny tongony no tena voa mafy saingy nahagaga fa lisitra amina kahie no fanafody. Tamin’io alahady io, hoy ny fanazavana, dia nitranga ny tsy nampoizina raha iny nivoaka hisotra kafe iny ny mpiambina marary satria nampidirin’ireo mpianatra ho dokotera « bloc » ilay marary. Ilay mpamoha varavarana no nampandre izany tamin’ny fianakaviana. Niezaka namonjy izany izahay, hoy ny fianakaviana, ary ny zanakay efa navoaka teo amin’ny lalan-tsara nolazaina fa maty no novantaninay. Notsindrian’ny renin’ny maty fa tsy nisy dokotera tompon’andraikitra tamin’io fotoanan’ ny alahady io, fa ireo mpianatra ho dokotera no nampiditra ny zanany tao amin’ny « bloc ». Namboraka ny alahelony mikasika ny fanararaotana nolazain’izy ireo fa nataon’ireo mpianatra dokotera moa ny fianakaviana ary nilaza fa nony fahitan’ireto farany fa teratany vahiny no manampy ny marary dia nohararaotin’izy ireo nampividianana fanafody maro mety mbola hanaovana aferafera amin’ny marary hafa izay tsy nampiasaina akory sy natao tsirambina ny zanany. Manao antso avo ny tompon’andraikitra mba hanara-maso ny mpianatra ho dokotera ao amin’ny CHU-JRA noho izany ity fianakaviana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT