Mpianatra 8 mianadahy dia Rakotozafy Miray, Rajaofara Landy, Razafinirina Clara, Rakotovao Tsiky, Andriamanantsoa Manoritantely, Ranaivoson Arly, Ranaivoson Sandy, Randrianarisata Sylvio, taona faharoa ao amin’ny sekoly ambony INSCAE, mitondra ny anarana hoe "Innovation project" no nanatanteraka tetikasa ara-tsosialy, tamin’ny alalan’ny fananganana "coin bibliothécaire" tao amin'ny "Centre Olom-baovao Hospice et Orphelinat Ambohimahitsy", ny 29 martsa lasa teo.
Marihina fa mitaiza zaza kamboty sy olona efa nahazo taona io ivontoerana io. Rehefa avy nitsidika io toerana io, dia nahita ireto mpianatra 8 mianadahy ireto, fa sahirana izy eo amin'ny lafiny fitaizana. Tsy mba nanana "centre de documentation" na toerana hahafaha-manovo fahalalana ao amin’ny ivontoerana, kanefa tsapanay fa tena ilaina izany amin'ny fanabeazana ireo zaza kamboty ireo sy mba ho fialamboly ho an'ireo beantitra, hoy ireto tanora ireto. Sady tianay hampitaina amin'izy ireo ihany koa izay kely hainay mba ho mariky ny fitiavana sy ny fiantrana azy, hoy hatrany izy 8 mianadahy. Izy ireo avokoa no nanao ny zavatra rehetra tamin’ny fananganana io “coin bibliothécaire” io (plan, devis, nividy sy nandrafitra ary nanao vernis ny hazo,…). Ny fikambanana "Loharanosoa", fikambanan'ny mpivarotra boky ao Ambohijatovo, izay tarihin'Andriamatoa Razafitsimialona Richard no nanampy azy ireo tamin’ny fanomezana ny boky, manodidina ny 200. Nisy ihany koa ireo malala-tanana hafa izay nanome nanampy tamin’izay fanomezana boky izay ho fanampiana an'izy ireo, izay toloran’ireto mpianatra ireto fisaorana noho ny fifanomezan-tànana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.