Sosialy

Mpianadahy maty ray aman-dreny Nandeha dia an-tongotra Maevatanana - Ambatolampy


  • Talata 03 Aogositra 2021

Mpianadahy kely zakan’olona mpivady nandeha nila ravinahitra tany amin’iny distrikan’i Maevatanana iny no nahavita nandeha dia an-tongotra niala tany an-toerana hamonjy ny tanindrazany any Ambatolampy

 rehefa maty ireo nahitany masoandro. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nihotsahan’ny tany teo am-pangadiana vato ary maty ireto farany ka tonga naka azy mianadahy kely tany an-toerana ny Raibeny. Hody any Ambositra no anton-dian’izy ireo. Tody tao Ambatolampy izy 3 mianaka omaly ary mbola mikasa hanohy ny diany hianatsimo hatrany.Na izany aza efa lany vatsy tanteraka izy 3 mianaka ireto. Lehilahy iray tsara sitrapo no tonga nanome izay voatsirambin’ny tanany ho azy ireo ankoatra ireo tsara sitrapo hafa ka niantoka taksibrosy sy saran-dalana ho azy ireo. Omaly hariva tamin’ny 8 ora alina izy no niainga raha vola mitentina 122 000 Ar kosa no voangony hatramin’ny omaly 4 ora hariva.Mbola tavela any Maevatanana kosa ny vatana mangatsiakan’izy mivady nahitan’izy mianadahy kely ireto masoandro.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT