Sosialy

Mpiambina tratra nanendaka Ny aretin-dreniny no nahatonga azy ho jiolahy


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 ny alahady faha 22 martsa teo tetsy 67 ha rehefa avy nangarom-paosina tera.tany vahiny 01.

 

Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro, raha nandalo teo Ravitoto, etsy 67ha, ity tera.tany vahiny ity no nisy nijokojoko avy ao aorinany ary nanokatra moramora ny kitapo teny aminy. Lasan’ilay olon-dratsy tamin’izany ny findainy iray tao anatin’io kitapo io. Nisy mpandalo nahita anefa izany rehetra izany ka nilaza avy hatrany tamin’ilay tompon’entana. Niantso vonjy ity farany sady nanenjika ilay olon-dratsy ka voasambotry ny Polisy tsy lavitra teo ilay olon-dratsy. Ny Polisy izay efa nanao velem-pandrika hisamborana azy raha vao naheno ny antso vonjy. Nosavaina izy ka mbola teny aminy ilay finday vao avy norobainy. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany izy ka niaiky ny helony tanteraka nandritra izany. Nilaza ho manao « sécurité » no asany ary ny fahasahiranany noho ny reniny marary no antony hanaovany izany asa ratsy izany. Efa naverina tamin’ny tompony moa ilay finday nalainy. Natolotra ny fampanoavana ny fiandohan'ny herinandro teo ny lehilahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT