Mpatory an-dalana

Mitombo isa isan’andro


  • Talata 11 Jona 2024

Mitombo isa isan’andro ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra.

Manomboka amin’ny 06 ora hariva any ho any no tena ahitana taratra izany raha toraka izany ihany koa ny maraina manomboka amin’ny 05 ora sy sasany eo ho eo. Mbola betsaka amin’izy ireny mantsy no resin-tory ka tsy mifoha eo amin’ny toerana misy azy raha tsy amin’ny 06 ora sy sasany any ho any. Mahavita miady amin’ireo mpiandry taxibe vao maraina mihitsy izy ireo noho izany. Ankoatra ilay abris bus ambany izay efa bahanany mantsy dia hampatorian’izy ireo ny menaky ny ainy sy hametrahany entana ihany koa ny seza tokony hipetrahan’iretsy voalohany. Anosy, Anosibe, Tsaralalana, Analakely, Ambodin’Isotry….no toerana tena ahitana azy ireo. Ankoatra izay dia tsy lavitra ilay toerana hitobiany ihany koa izy ireo no manao maloto. Ho an’ny eny Anosibe manokana dia miara-matory amin’ny omby mihitsy ireo mpatory an-dalana izay manorina trano sachet eny anelanelan’ireo arabe miisa telo fandehanan’ny fiara. Efa noravain’ny kaominina Antananarivo renivohitra ihany koa ankamaroan’ireo trano sachet ireo saingy raha vantany vao hariva ny andro dia miverina ihany ireo mpatory an-dalana. Tsiahivina moa fa vokatry ny fahantrana sy ny tsy fahaloavana hofantrano avokoa no mahatonga izany. Tsy ho an’Antananarivo irery ihany no ahitana izany fa toraka izany ihany koa ny ao Fianarantsoa tampon-tanana ka zaza amam-behivavy ary zokiolona ny ankamaroan’izy ireny.
Pati
Legende : Feno mpatory an-dalana tahaka izao eto an-drenivohitra sy ao Fianarantsoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT