Sosialy

Mpatory an-dalana etsy Anosy Zaza menavava 7 volana namoy ny ainy


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Zazavavy kely iray tsy manan-tsiny zanaka mpatory an-dalana etsy Anosy no namoy ny ainy omaly atoandro tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any.

 Raha araka ny fantatra dia 7 volana eo ho eo ity zaza ity ary mbola ninono tsara tamin-dReniny tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any. Taorian’izay izy mbola nambaran-dReniny ihany koa fa mbola nofahanany vary izy tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tany ho any ary mbola nilalao nitsikitsiky tamin’ny ankizy nony maraina. Omaly maraina anefa dia tsy nisy aina intsony ity zaza tsy manan-tsiny ity. Tsy tambo isaina ireo olona tetsy Anosy tonga nijery azy noho izany. Maro ireo nangoraka nefa maro ihany koa ireo niezaka ny nitady vahaolana hanomezana vola ilay Renim-pianakaviana hahafahana mandevina ity zaza tsy manan-tsiny ity. Raha araka ny voalazan’ireo mpatory an-dalana etsy Anosy moa dia efa nisy BMH tonga teny an-toerana taorian’ny antso nataon’izy ireo saingy nilaza ireto farany fa mompera Pedro hono no tokony antsoina. Nalahelo sy tohana mafy ireto mpatory an-dalana ireto noho izany. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tokony horaisin’ny BMH an-tanana hatrany ny razana tahaka ireny na mpatory an-dalana na olon-tsotra fa tsy avela fotsiny tahaka izao raha izay marina no tena zava-misy. Nilaza ihany koa moa ity Renim-pianakaviana ity fa tsy mahita toerana handevenana io zanany io fa fianakaviana tena sahirana izy ireo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT