MPATORY AN-DALANA ETO AN-DRENIVOHITRA

Mangatsiakan’ny ranon’orana, miady amin’ny mpiandry bus


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Mahatsiaro mangirifiry ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

tsy misy miaro azy ireny amin’ny ranon’orana afa-tsy ny abris bus mantsy amin’ny alina izay efa saika misy tompony avokoa. Sasatry ny miady amin’ny mpiandry taxibe izy ireny vokatr’izany isan’andro indrindra fa ny maraina manoran’andro iny. Voakasik’izany ny etsy Ampefiloha sy Anosy izay misy andiana lehilahy sy vehivavy tsy azo hifamaliana mihitsy. Lazain’izy ireny fa azy ny toerana ka tsy tokony hohelingelenina amin’ny torimasony izy. Mbola mibonoka bodofotsy sy mitsotra amin’ny seza fipetrahan’ireo mpiandry taxibe mantsy izy ireny hatramin’ny 08 ora maraina. Ny tena mahasorena amin’ity tranga ity moa dia misy amin’izy ireny no tsy mandeha lavitra fa eo akaiky eo ihany no manao maloto miaraka amin’ireo ankizy madinika. Ny teny ratsy sy ny fiaina-manokan’ny mpivady tokony hafenina tsy hifandrenesana intsony fa tena mankarary sofina. Tsiahivina moa fa anisan’ireo tsy voaray eny La Reunion kely intsony izy ireo izay marihina fa efa feno tanteraka. Mangataka no tena asa fivelomany izay miparitaka manerana ny faritra maro mihitsy.
Pati
Legende : Tsy avelan’ireo mpatory an-dalana hipetrahan’ny mpiandry taxibe tahaka izao ny abris bus fa hatorian’izy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT