Sosialy

Mpanjono Malagasy miisa 4 Natosiky ny andro ratsy hatrany Kaomoro


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

Ny 17 mey teo no niainga tao Nosy Be ny 4 mirahalahy ireto nikasa hanjono, raha ny fampitam-baovao voaray.

 

 

 

Sendra ny andro ratsy teny ambony ranomasina anefa izy ireo ka natolaky ny rivotra any Anjouan, Kaomoro. Ny 30 mey teo no hitan'ny mpitandro filaminana tany an-toerana izy ireo ary salama tsara. Noraisin'ny fanjakana kaomorianina an-tanana ary mikarakara azy ireo ihany koa ny fikambanana malagasy any an-toerana, raha ny vaovao voaray hatrany. Napetraka amina toerana iray fa tsy notanana am-ponja, hoy ny fanamarihana. Misy polisy manara-maso kosa. Ireo Malagasy any Anjouan no manome sakafo azy ireo. Maniry ny hamerenana an-tanindrazana azy indray, noho izany, ireto mpanjono ireto, satria sahirana rehefa tojo zava-tsarotra tahaka izao. Hisy sambo avy any an-toerana hivantana ao Nosy Be amin'ny tapa-bolana ka hampiarahana amin'io izy efa-dahy. Tombonjoro Tomy, Richard, Andrianjara Christian ary Fenolahy moa no anaran’izy ireo, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT