Sosialy

Mpanjinjara sy mpanangom-bokatra Tsy manaja ny zotra amin’ny lalam-barotra


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Manao bemidina mampanara-dalàna ny mpivarotra ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana na MICC hiadiana amin’ny fampakarana tsy ara-drariny ny vidim-bary,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsikaritry ny mpanara-maso avy amin’ny MICC fa amin’ireo mpanangom-bokatra mitondra kamiao manatitra mivantana eny an-tsena ireo mpivarotra sasany no maka vary gasy fa tsy amin’ny mpamongady. Tsy misy arak'izany ny faktiora nividiana ny entana. Tsy hajain'ireo mpanjinjara sy mpanangom-bokatra ny zotra amin’ny lalam-barotra. Tsy fanaraha-dalàna izany rehetra izany. Hentitra amin’ny tsy maintsy ananan’ny mpivarotra faktiora ny MICC ahazoana manara-maso sy manaporofo ary manamarina ny tena vidin'entana. Etsy ankilany dia mitohy ny fanaterana vary tsinjo eny amin’ireo mpivarotra amin’ireo toerana be mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny alatsinainy 20 marsa 2023 teo dia tsenakely miisa 184 any anatin’ny fokontany miisa 55 no nahazo vary 45,55 taonina. Amidy amin’ny 650 Ariary ny kilao amin’io vary io, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT