Sosialy

Mpanjifa Malagasy Miha miverina mankafy ny vita Malagasy


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Mampahafantatra sy mampisongadina ny vita Malagasy amin’ny alalan’ny sary amin’ireo kojakoja an-dakozia vita Malagasy izahay, hoy ny Art tsara Malagasy,

nandritry ny hetsika “Kaly malagasy maha salama” tetsy Antaninarenina omaly. Amin’ny alalan’ny fanaingona sary ireo fitaovana fampiasa an-dakozia sy fampiasa ao an-tokan-trano no hanatontosanay izany, hoy ny tomponandraikitr’izy ireo, Yasimbola Faramalala, satria misy tena mahay sary isika Malagasy fa mbola tsy be mpahafantatra. Somary lafo ny vita Malagasy satria sahirana isika eo amin’ny fitadiavana akora ampiasaina, hoy izy. Misy fotoana mila manafatra. Rehefa voatery mamorona akora no tena sahirana satria mbola hafa koa, raha ho anay izao, ny dingana arahana mandoko ireo zavakantonay. Na izany dia efa ezahanay ny mikaroka ny fomba moramora kokoa hahafahan’ny rehetra manjifa ny vita Malagasy. Hita ho be mpankafy ny vita Malagasy ary miverina ao anatin’izany mihitsy isika Malagasy satria miha mivoatra ny hatsaran’ilay izy. Miha tsara koa ny kalitao. Miha mafy sy afaka mifaninana amin’ny any ivelany fa tsy toy ny taloha hoe “vita gasy”. 3 taona izao no nidiranay tanatin’ity sehatra ary enjana taminay mpanao asa tanana Malagasy ny ahamehana ara-pahasalamana satria manana fiaraha-miasa any ivelany izahay saingy mikatona ny sisintany. Niato, noho izany, ny fanondranana. Hita ho manana hoavy tsara sy mampiavaka antsika na izany aza, hoy hatrany izy ireo, ny vita Malagasy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT