Sosialy

Mpangataka sy mpatory an-dalana Mitombo andro aman’alina, misy ireo tsy tia fehezina


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Mitombo isa andro aman’alina ireo mpangataka sy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra ankehitriny. Ho an’iretsy voalohany dia ankizy madinika ny ankamaroan’izy ireo izay efa mahatratra 2.000 eto an-drenivohitra.

 

 

 

 Ireo olona  mialokaloka ambadiky ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’izy ireo ka sady tsy te-hisasatra hamelona sy hampianatra no miandry izay azon’ny ankizy fotsiny ihany koa. Ho an’ireo mpatory an-dalana indray raha araka ny fanadihadiana natao dia maro an’izy ireo no efa nalain’ny minisiteran’ny mponina mba hialokaloka ao amin’ny ivontoerana natokana ho azy ireo etsy Ambodin’Isotry. Noho ny fitsipi-pifehezana hapetraky ny tompon’andraikitra ao amin’ity ivontoerana iray ity anefa toy ny tsy maintsy hivoahana mitady vola sy sakafo isa-maraina, ny fanadiovana ny trano hatoriana dia betsaka ireo tsy mahatanty ka lasa mitsoaka an-daharana. Tafiditra ao anatin’izany ireo ampahany nalefa tany Andranofeno saingy malain-kisasatra ka lasa miverina manatevin-daharana etsy La Réunion kely. Anisan’ny antony mampahazo vahana ireo mpangataka sy mpatory an-dalana eto amintsika ireo ankoatra ireo  reraky ny fiainana tanteraka tsy mahita aleha intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT