Sosialy

Mpandraharaha Malagasy nanao SIAL 2023


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Tombanana hahita tolo-bidy 2.082.147 dolara

Ao anatin’ny iraka ara-toekarena sy varotra notontosain’ireo delegasionina malagasy ny 6 hatramin’ny 20 may teo tany Kanada ny fitrandrahana tsenam-barotra ho an’ny mpandraharaha Malagasy mankany Amerika avaratra, hoy ny tatitra voaray momba izany tetsy amin’ny Centell hotel Antanimena ny sabotsy teo. Maro tamin’ireo mpandraharaha malagasy, hoy ny tale jeneraly misahana ny varotra sy fanjifana eo anivon’ny minisiteran’ny fampiroboroboana izay sehatra izay, Isidore Razanakoto, ireo mpandraharaha Malagasy nifandray tamin’ireo mpandraharaha any Amerika avaratra toy ny Kanadianina. Nisy ny fifanatonana ary nisy avy hatrany ireo liana hanana fifanarahana ara-barotra amin’ireo mpandraharaha Malagasy. Nisy teo amin’ny 430 isa teo ireo mpandraharaha nahazoana ny mombamomba azy, raha ny tatitra voaray. 154 ireo manana fikasana hifandray na hividy avy hatrany ny vokatra avy aty Madagasikara. 12 amin’ireo mety ato anaty fotoana fohy dia fohy. Raha atao ambangovangony izany ny mety ho tolo-bidy na sala-bidiny ho azontsika dia any amin’ny 2.082.147 dolara Amerikanina any ho any. Anatin’izany koa ireo efa nahazoana varotra efa raikitra na famandrihana izay miisa 6 ka ny 3 amin’ireo dia eo amin’ny 230.000 dolara ary nahazoana mpiara-miasa 72 isa eo izany, hoy hatrany ny tenany. Ny 8 may hatramin’ny 19 may teo moa no tontosa tany Toronto, Kanada, ny fampirantiana iraisampirenena momba ny fambolena sy sakafo na SIAL 2023 ka isan’ireo firenena miisa 80 nanana solontena nandray anjara tanatin’izany isika teto Madagasikara ka anton’izao vokatra izao, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT