MPANASA LAMBA ENY MANJAKARAY

Ora telo isan-kalina no mba matory fa miandry rano


  • Talata 24 Septambra 2024

Mafy ny mahazo ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba eny Manjakaray sy Anjanahary eny,

kaominina Antananarivo renivohitra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny iray tamin’izy ireny mantsy dia ora 3 isan-kalina ihany izy ireny no mba matory fa miandry rano. Isan-kalina mantsy vao mba mandeha ny rano ka tsy maintsy andrasana. Manomboka amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny 02 ora maraina any ho any izany raha mijanona tsy misy indray aorian’izay. Tsy afaka matory ny tena hoy Rafara na dia efa lehibe aza. Songonan’ny sasany mantsy ilay bidon na koa alain’ny sasany mihitsy ka tsy maintsy ambenana. Miverina matory ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba manomboka amin’ny 03 ora maraina rehefa mba mahazo 2 na 3 bidon hanasan-damba dia mikatroka manohy ny asa toy ny mahazatra indray manomboka amin’ny 06 ora maraina. Mila lamba maina sy vita androany avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpampanasa lamba amin’izao noho ny rotorotom-piainana. Notsiahivin-dRafara anefa fa ny bodofotsy ihany no 3.000 ka hatramin’ny 5.000 Ar ny manasa ny iray amin’izao. Ny drap kosa 500 ka hatramin’ny 1000 Ar miankina amin’ny habeny raha tsy miova fa 100 sy 200 Ar ny lamba madinika sy antonony. Tsy mihoatra ny 10.000 Ar ny lela-vola azon’ny vehivavy mpanasa lamba iray isan’andro noho izany nefa hamoizany ny torimasony mandritra ny ora 5 na 6 miampy ny fiharetana ny hatsiaka sy ny asan-jiolahy mety hitranga amin’ny alina.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mpanasa lamba miandry ety amin’ny toerana voatokana tahaka itony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT