Sosialy

Mpanao vakansy hiazo an’i Mahajanga sy Toamasina


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Maro ireo nihemotra noho ny fiakaran’ny saran-dalana

Maro ireo mpiala sasatra voatery nanemotra ny diany hiazo an’i Mahajanga sy Toamasina noho ny fiakaran’ny saran-dalana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia hiakatra 60 000 Ar ny saran-dalana mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga, manomboka ny datin’ny 22 jolay ho avy izao raha 50.000 Ar teo aloha. Efa tafakatra 65.000 Ar kosa ny an’ireo koperativa voalaza ho tsara sy matanjaka tamin’iny herinandro iny, ho an’ireo sokajy faran’izay tsotra indrindra. Voakasik’izany manokana ny eny amin'ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse eny Andohatapenaka. Ho an'ny zottra mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina kosa dia hiakatra 35. 000 Ar ny saran-dalana raha toa ka 30. 000 ar teo aloha. Aleon’ireo mpiala sasatra noho izany miazo an’Ampefy…raha tsy maintsy handany vola ihany. Ireo somary kelikely vola sy maro anaka no tena nisafidy ity farany. Noho ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara moa no nambaran’ireo mpitatitra sendra anay fa antony nampiakaran’izy ireo ny saran-dalana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT