Sosialy

Mpanao hitsin-dalana amin’ny seranam-piaramanidina Olona fito no tsy maintsy nampidirina am-ponja


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Voarara ny manao hitsin-dalana eo amin’ny faritra hipetrahana sy hiaingan’ny fiaramanidina ao Sambava.

 

 

 Vao tamin’ny 23 jolay lasa teo mantsy dia tovolahy kely roa avy nividy lasantsy no nanao hitsin-dalana nanapaka ny “piste” any an-toerana raha efa niomana ny hisidina ny fiaramanidina iray. Ilay zaza iray anefa mbola taraiky ka voatery nosamborina haingana nanavotana ny ainy. Voatery nohamafisina ny fanaraha-maso ireo olona manao hitsin-dalana  amin’ny “piste” ao Sambava ho fiarovana ny ainy. Olona fito hatreto no efa tratra noho ny fahazaran-dratsy, raha ny loharanom-baovao azo. Ny dimy tamin’ireo no saron’ny zandary raha saron’ny polisy  kosa ny roa ambiny. Na izany aza tsy noraisina ho sazy izany fa kosa natao hananarana azy ireo tsy hanao hitsin-dalana intsony. Mety hitarika amin’ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina ny tsy fahafehezana ny fisorohana ny loza, izay mety avy amin’ny tsy fitandreman’ny sasany toy ny fihetsik’ireo  mpanao hitsin-dalana efa nosamborina ireo.

 

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT