Sosialy

Mpanao asa tanana Malagasy Anaty krizy tanteraka


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Ankoatr’ireo olana maro efa taloha tokony hovahana mahakasika ny asa tanana Malagasy dia mbola manampy trotraka ny voka-dratsin’ny krizy ara-pahasalamana ankehitriny.

 

 

 

 

 

Tsy azo tsinontsiniavina sy hodian-tsy hita anefa io sehatra io satria maherin’ny 2 tapitrisa amin’ny Malagasy no mivelona aminy. Mitondra vokatra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara izy satria manome 15 % hatramin’ny 17 % amin’ny harinkarena faobe. Saika ny 75%n’ny Malagasy dia mivelona aminy ary 80% amin’izay dia vehivavy avokoa araka ny tatitry ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Indositra, ny Varotra ary ny Asa Tanana (MICA). Amin’izao fotoana izao dia velon-taraina tanteraka ireo mpisehatra amin’ny asa Tanana nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Asa Tanana izay nifarana ny zoma teo tetsy amin’ny Ivon-toerana Nasionaly ho an’ny Asa Tanana Malagasy (CENAM). Tsy tahaka ny volana jona isan-taona fa tsy misy intsony ny mpanjifa sy ireo komandy ka maro ny mpiasa tsy maintsy najanona ary mitotongana tanteraka ny fidiram-bola raha ny tatitr’ireo mpandraharaha mpanao asa tanana. Mainka nampitombo ny olana sedrain’izy ireo ny fihibohana sy ny krizy ara-pahasalamana ka anisan’izany ny fihenan’ny akora fototra ilaina, ny fitotonganan’ ny sehatra fanondranana. Ity farany izay nahatratra 17 tapitrisa Euro na 73 128 050 000 Ar anefa tamin’ny taona 2019 kanefa amin’izao fotoana izao dia tsy misy raisina intsony noho ny fikatonan’ny sisin-tany. Na izany aza dia nanambara hatrany ny teo anivon’ny MICA fa hisy ny fotodrafitrasa goavana mahakasika ny asa tanana izay misy karazany 114 eto Madagasikara. Hahazo laka amin’izany ny fampiofanana ary misy ny fifaninanana karankaraina misy sokajy 6 hitsimpinana ireo mpanao Asa Tanana mendrika indrindra hanomezana toerana io sehatra io eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena. Tanjona ny hahafahana hifaninana tsara amin’ny firenena hafa sy ny hidirana eo amin`ny sehatra ara-dalàna sy matihanina hahamafy ny fahaiza-manao mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena.

\Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT