Sosialy

Mpanakanto Remanindry Marary mafy ao amin’ny hopitaliben’i Toliara


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Mihombo hatrany ny aretina mahazo an’i Remanindry, mpanakanto Malagasy iray havanana amin’ny fitendrena lokanga sy marovany avy any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.

 

 

 

 Tapatapaka anefa ny fitsaboan-tena  ataony raha ny vaovao azo  noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana koa hanaovany antso avo amin’ny  rehetra  hahafahany mitsabo tena. Ho an’ireo mpanakanto namany dia  hanatanteraka fampisehoana goavana etsy amin’ny Is’art Ampasanimalo izy ireo anio sabotsy 19 janoary hariva manomboka amin’ny 7 ora. Entina hanampiana an’i Remanindry avokoa ny vola azo avy amin’izany ankoatra ireo vonona ny handefa   vola amin’ny alalan’ny  M vola 034 45 825 75.  Tsiahivina fa vakoka velona mandehandeha ho an’ireo mpanakanto namany i Remanindry. Efa nisolotena an’i Madagasikara manerana izao tontolo izao mantsy izy sady manana traikefa sy fahaiza-manao maro amin’ny fiarovana sy fanandratana avo ireo karazana kolontsaina misy eto amintsika.  Manantena ny fiaraha-mientan’ny rehetra hanampiana an-dRemanindry ny mpanakanto Malagasy rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT