Sosialy

Mpanakalo vola vahiny Velon-taraina ny amin’ny Coronavirus


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Manintona ny olona kokoa ny fanakalozana vola vahiny eny amin’ny sehatra tsy ara-dalàna. Raha ny eto Antananarivo dia miroborobo ny fanakalozana eny amin’ireny olona mijorojoro tahaka ny eny Analakely sy Antsahavola ireny.

 

 

 Efa nisy ihany ny resaka ny amin’ny fanakanana azy ireny amin’izao fotoana izao saingy tsy tena marim-pototra izany araka ny nambaran’Atoa Tahiana izay mivelona amin’io asa io. Hita ho niasa an-kalalahana izahay nandritra ny fitondrana nifandimby ary tena miasa tanteraka tahaka ny mpiasa rehetra, hoy izy ka antenaina ny fitohizany. Misy ireo antony mahasarika ny olona manatona sy manao fifanakalozana eny. Raha oharina ny eny amin’ny banky, ohatra, dia mahazo tombony kokoa ny olona raha manakalo eny satria mora kokoa ny andraisan’ny banky ny vola vahiny atakalo noho ny eny amin’ny sisiny noho ilay tombony (commission) mbola alain’ny banky. Ankoatr’izay, vetivety tsy mandany fotoana ary tsy mila taratasy tahaka ny amin’ny Banky ny fifanakalozana atao. Raha ny eny amin’ny Banky dia tsiahivina fa mbola misy ny taratasy takiana tahaka ny pasipaoro sy ny fepetra amin’ny tsy maintsy mahafeno 21 taona ilay mpanakalo. Mitombina ihany koa izay raha mividy vola vahiny saingy miampy tapakila fiaramanidina na taratasy fanamarinana iraka (ordre de mission) vao afaka mahazo izany. Tombony manakalo eny an-dalana ihany koa ny maha tsy voafetra ny vola azo alaina sy atakalo eny raha toa ka ilana taratasy fanamarinana ny eny amin’ny Banky raha mividy na manakalo miatomboka amin’ny 4000 Euro na 16 048 560 Ar (1euro=4012,14 Ar).

 

Ratsy ny tsena, hoy ireo mpanakalo

 

Ireo olon-tsotra sy mpivezivezy mankany Chine sy Thailande no matetika mividy vola vahiny ary miezaka ny manangona mihitsy, indrindra rehefa midina ny sandan’izy ireny. Amin’izao fotoana izao dia zara raha misy olona 2 anatin’ny herinandro no manao fanakalozana vokatry ny fisian’ny aretina Coronavirus araka ny fanadihadiana. Nanambara anefa ny ankamaroan’ireo manakalo vola fa tsy maintsy misy hatrany ny mpanjifa isan’andro tamin’ny fotoana tsy nisian’ny aretina. Ankehitriny anefa dia misy fotoana maro tsy vaky love izy ireo araka ny nambarany ary tena mody amin’ny tanam-polo nefa mamelona vady aman-janaka. Hatreto dia mampanontany tena ny hoe iza marina ireo mpanambola be ambadik’izy ireny izay tsy sahan’ny fanjakana kitihina mihitsy kanefa fantatra fa sehatra tena tsy manara-dalàna ary miharihary tahaka ny vay an-kandrina ?

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT