Sosialy

Mpanadio ny lakan-dranon’andriantany 2 volana tsy nandray karama


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

80.000 Ar isam-bolana isan’olona no ambany indrindra amin’ny karaman’ireo mpanadio ny lakan-dranon’Andriantany hivarinan’ny rano maloto karamaina orinasa iray izay mpiara-miasa akaiky amin’ny APIPA.

 

 

 

 Nisedra olana anefa izy ireo tao anatin’ny 2 volana mahery izao. Tsy mbola nisy nandray ny tambin-karamany mantsy izy ireo, nefa milalao rano maloto isan’andro. Rehefa nanontaniana ny sefo hoy ny fijoroana vavolombelona nataona Raim-pianakaviana iray dia amin’ny herinandro amin’ny herinandro hatrany ny valin-teny azon’izy ireo. Tsy nahatanty izany intsony ireto farany ny zoma teo ka tonga nanao be midina teny amin’ny APIPA nitondra izany fitarainany izany. Nohamafisin’izy ireo moa fa mety ilay orinasa manakarama azy mihitsy no manodinkodinina ny karamany izay mety tsy fantatry ny APIPA eny Anosizato akory. Efa nahavita fifanarahana arak’asa avokoa moa izy ireo raha ny fantatra hatrany

. Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT