Sosialy

Mpampianatra Fram maty tany Ihosy Iray andro maninjitra vao vita ny taratasy hitondrana azy mody


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Mpampianatra Fram iray miasa ao Ihosy ny maty tampoka noho ny fiakaran’ny tosi-dràny naheno fa anisan’ireo tafiditra ho voaray ho mpisam-panjakana izy tamin’ny herinandro lasa teo (alakamisy 04 jona 2020).

 

Nampalahelo, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, fa indray andro maninjitra vao vita ny antonta-taratasy hahazoana mitondra ny razana ho any Fianarantsoa toerana fihaviany ka efa tamin’ny 5 ora hariva vao afaka niala tany Ihosy ny fiara nitondra ny razana. Izany dia noho ny fahasarotan’ny “Procedure” napetraky ny CCO any an-toerana. Mbola manampy trotraky ny alahelo sy fahoriana efa mianjady amin’ny fianakaviana, araka izany, izany toe-javatra izany ka tokony hasiana fepetra iraisana miainga avy aty amin’ny CCO foibe mihitsy, araka ny fitarainan’ny fianakavian’ny mana-manjo.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT