Sosialy

Mpampianatra FRAM Hosintonina ny “contrat de travail” n’ireo manao diplaoma hosoka


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Mpampianatra FRAM miisa 624 no noraisin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ho mpiasam-panjakana ny sabotsy teo tetsy amin’ny INFP Mahamasina.

 

 

 

 

Mpampianatra nivoaka tao amin’ny sekoly ambony ENS Ampefiloha tamin’ny taona 2014 ny sasany tamin’izy ireo raha ny fantatra ary mbola nanaraka fiofanana teny anivon’ireny ivon-toeram-pampiofanana ho mpampianatra ireny. Tafiditra ao anatin’ireo mpampianatra miisa 8.500 raisina ho mpiasam-panjakana nanomboka tamin’ny taona 2019 izy ireo raha ny fantatra entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReniny eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra mbola manakarama mpampianatra FRAM marobe. Nomarihin’ny ministra Volahaingo Marie Therese moa fa raha sanatria ka misy amin’izy 624 mianadahy mianaka ireo no mampiasa diplaoma hosoka dia hosintonina eny am-pelatànan’izy ireo avy hatrany ny fifarahana arak’asa izay natolotra azy ireo tamin’ny Sabotsy teo. Tsy hamindra fo amin’izany ny tenany, hoy hatrany ny ministra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT