Sosialy

Mpampianatra FRAM Hampitomboina ho 15.000 ireo raisina ho mpiasam-panjakana


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Hampitomboina ho 15.000 isa ireo mpampianatra FRAM raisina ho mpiasam-panjakana amin’ny taona 2020 ho avy io, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa Rtoa Volahaingo Marie Therese raha 8.500 teo aloha.

 

 

 

 Ny mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eny anivon’ny EPP amin’ny fandoavana ny karaman’izy ireny no voalaza fa antony ankoatra ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana izay tafiditra ao anatin’ny  politikan’ny mpitondra ankehitriny. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana ny taom-pianarana 2019-2020 tamim-pomba ofisialy notanterahina tany Manakara ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitra nandritra izany ihany koa fa hotontosaina ny 19 janoary ho avy izao ny fambolen-kazo taona 2020 ka hanaovany ezaka manokana ny fanentanana ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ho an’ny mpianatra manokana dia zana-kazo 5 isan’olona no ezahina hovolena mandritra izany, ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT