Sosialy

Mpampanofa fiara Tafiditra anaty fahasahiranana tanteraka


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Velon-taraina ankehitriny ireo mpampanofa fiara tahaka ny eny amin’ireny hotely lehibe mpitondra mpizahatany sy ireo tompona fiara misehatra amin’ny lanonana tahaka ny mariazy (tête de cortège,…) ireny.

 

 

 

Tsy misy karama intsony kanefa maro amin’izy ireny no tena manao ho asa fivelomana izany. Mbola tsy voakasika tamin’ilay resaka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakaina ihany koa anefa izy ireo. Ny ankamaroan’ireo fiara miara-miasa amin’ireny hotely lehibe indrindra ireo misehatra amin’ny fizahantany ireny ankehitriny dia efa nanapaka ny fiarahamiasa avokoa noho ny fikatonana. Ho an’ireo tompona fiara mpitondra mpanambady moa dia nilaza fa ny fiandohan’ny taona sy ny faran’ny taona no tena mba ahazoana karama kanefa hatreto dia tsy nampidi-bola noho ny fisian’ny valan’aretina. Andrasana ny mety vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana mahakasika ny olan’izy ireo.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT