Tafiditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Vondrona Mpamonjy Voina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) niforona tamin’ny janoary 1949, ny andro omaly nanaovana hetsika teny amin’ny Parvis Analakely .
Amin’ny maha Reny mpiahy ity Vondrona mpamonjy voina ity ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia namome toromarika sady nankahery ny mpamonjy voina izy, ary nankasitraka ny ezaka nataon’izy ireo. « Fitsipika, Fandavan-tena, Herim-po », io no teny filamatry ny mpamonjy voina nofidiana amin’izao fankalazana ny faha 70 taonany izao, ary “Mpamonjy Voina sy ny vahoaka miara-mientana amin’ny fisorohana sy fanalefahana ary fiatrehana ny loza” no iraisana amin’ny rehetra. Nanao antso avo amin’ny vahoaka koa ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana handray andraikitra feno hanaraka antsakany sy andavany ny torohevitra sy ny toromarika rehetra omena mikasika ny fisorohana ny loza. Efa misy rahateo ny paikady vaovao iarahan’ny rehetra hisorohana ny loza satria nitombo ny hain-trano etsy sy eroa tato ho ato. Ankoatra ny tsodrano dia notoloran’ny CUA, tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraly, Rina Randriamasinoro moto mitsoriaka misy fitaovana entina mamonjy voina haingana ny vondron’ny mpamonjy voina ary mbola hahazo avokoa ny Boriboritany enina rehetra. Nivoitra tao anatin’ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, fa maro ny olana sedrain’ny mpamonjy voina, toy ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiasa izay 150 monja, toraka izay koa ny fitaovana ampiasaina. Manampy trotraka ny fahateren’ny làlana hamonjena ny traboina, ny fahanteran’ny fitaovana eo ampelan-tànana,… Narahana fitsidihana tranoheva ny fotoana ary nisy ny fampisehoana (Démonstration) notanterahana tetsy amin’ny Parvis Analakely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.