Sosialy

Mpamonjy voina ao Toamasina Tsy afa-miasa fa tsy misy solika


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Tsy afa-manao ny asany araka ny tokony ho izy ny sampana mpamonjy voina na ny “Pompier” ao Toamasina amin’izao noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo.

 

 

Tsy misy ny fanomezana solika tokony hampiasaina satria tsy mahazo ny vola hividianana solika any amin’ny “Trésorerie Général” izy ireo, araka ny fampitam-baovao nosoniavin’ny Sekretera jeneralin’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina Rakotomalala George ny zoma 5 aprily lasa teo. Ny fangatahan-tsolika “Bordereau de mandats N°2019000000014367” efa tamin’ny 14 martsa 2019, dia tsy nivaly hatramin’izao. Naneho fialan-tsiny ho an’ny rehetra mety mizaka ny voka-dratsin’izao zava-misy izao noho izany ny teo anivon’ny kaominina. Asa aloha na misy ifandraisany amin’ny lonilony nisy teo anivon’ity kaominina Toamasina ity toy ny nampiatoan’ny filankevitra monisipaly izao na ahoana ? Toa tsy voaasa firy tamin’ireo fitsidihana nataon’ny filoha tao an-toerana ihany koa ny Ben’ny tanàna Elysé Ratsiraka, izay tsiahivina fa lany tamin’ny anaran’ny MAPAR. Ny mety ho fifandirana ara-politika ve no hanaovana sorona ny tanàna sy ny vahoaka ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT