Mpamokatra saonjo ao Ankazobe

"Foano ny mpanelanelana anay amin’ireo mpaka ny vokatra"


  • Talata 03 Septambra 2024

Miantso vonjeo ny amin’ny fahasahiranana lalina mianjady aminy ireo mpamokatra saonjo

ramandady ao Fihaonana Ankazobe mivondrona ao anatin’ny TVHF na ny Tantsaha Vonona Hiady amin’ny Fahantrana. Mbola tafidina hatrany amin’ny 1.000 na 1.200 Ar mantsy no hakan’ireo mpanelanelana ny iray kilao amin’ny saonjo any amin’izy ireo amin’izao raha tokony ho 3.000 Ar no tena vidiny. Haondrana any Comores anefa ireo saonjo ireo izay nomarihin’ny Filohan’ny fikambanana fa tena tsy mora tokoa ny famokarana azy. Enim-bolana ka hatramin’ny 12 volana eo ho eo mantsy izy ireo vao mahavokatra saonjo tena tsara iray vala. Eo anelanelan’izay dia betsaka ny fandaniana tsy maintsy hatao sy ny herin-tsandry lany. Vidiana 3.000 Ar ohatra ny iray kilao amin’ny zezika. Mbola hitadiavana zezi-pako ihany koa izany miampy zezika simikakely ho an’ireo saonjo somary marefo. Malahany an’hetsiny maro ny tantsaha iray vao mahavokatra saonjo iray vala nefa zara raha mahazo tombony 30.000 Ar akory ao anatin’ny taona iray. Hetahetan’izy ireo araka izany ny mba hahafahana mihaona mivantana amin’ireo mpandray ny saonjo alefa any Comores ialana amin’izany fahasahiranana lalina mianjady amin’izy ireo izany.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hatsaran’ny saonjo ramandady rehefa tena vokatra. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT