Sosialy

Mpamily fiarakaretsaka Mitanaka vava fotsiny taorian’ny fety


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra isika ankehitriny.

 

 

Tsy misy ny tsena, maina ny ankamaroan’ny asa fitadiavana rehetra, anisan’ireny ny asa familiana fiarakaretsaka. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpamily iray mantsy dia mitanaka vava mandany andro fotsiny izy ireo taorian’ny fetin’ny faran’ny taona no ho mankaty. Zara raha misy manontany, antony hiandrasan’ireo mpanjifa amina toerana iray mandritra ny ora maromaro. Ireo taxi-môtô sy ireo tsy ara-dalana no nambaran’ity mpamily iray ity fa antony mahatonga izany, eo ihany koa ny tsy fananan’ny olona vola. Misy amin’ireny olona efa mpandeha taksi ireny no efa manokam-bola ho amin’izany isam-bolana. Noho ny fitohanana  etsy sy eroa anefa dia aleon’izy ireny mandeha taxi-môtô sady maika. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo mpamily taksi mba hanara-maso akaiky ny taxi-môtô tsy ara-dalana ireny.  Misy amin’ireo tompona taksi mantsy no nampiakatra ny versement-ny nanomboka tamin’ity volana janoary ity nefa ny mpanjifa mihena hatrany.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT